|
|
|
|

Entry1  ranoray
Elementary words  2 rano, 3 iray
Part of speech  4  adjective
Explanations in Malagasy  5 Enti-milaza loko maro mitambatra ka manjary tokana lehibe, bambaray: Irony loko samy hafa atentin' ny habakabaka / milahatra mirindrarindra, milanto mifanapatapaka / kanjo nony kelikely mihanaka ho ranoray. (Haeckel A.)
6 Mitovy tantana: Tondraka ny rano manodidina ny tanàna, ka tsy nisy havoana sy lemaka intsony, fa ranoray no fitazana azy [1.1]
7 tokam-pangaro [1.13]
Explanations in English  [rano ray] 8 Covered, diffused, overflown, overspread, uniform, universal. [1.2#500]
Explanations in French  [rano-ray] 9 grande surface couverte d’eau; de même niveau, de même hauteur;
10 universel, couvert tout entier, comme d’une seule plaie, d'une sueur générale [1.3#510]
11 homogène [1.13]
Examples  12  Mirebareba akanjo mainty ranoray aho rehefa tena miasa. [2.445#]
13  Tamin' izany, nisy fihetseham-baovao Nanova ny tontolo tony ranoray; [2.576#]
14  Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [2.472]
Other spellings  15 rano iray, ranoiray

Updated on 2025/11/17